Bokin'i Joba 23:13
Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But he is in one mind, and who can turn him? and what his soul desireth, even that he doeth.
In Context
12Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
Cross References
Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
Job 10:13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
Job 12:14Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
Psalms 115:3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Proverbs 19:21Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
Ecclesiastes 3:14Fantatro fa izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’ Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.