Bokin'i Joba 24:3
Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They drive away the ass of the fatherless, they take the widow’s ox for a pledge.
In Context
2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
4Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany.
Cross References
Deuteronomy 24:6Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
Deuteronomy 24:10Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
1 Samuel 12:3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
Job 31:16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,