Bokin'i Joba 25:3
Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Is there any number of his armies? and upon whom doth not his light arise?
In Context
2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
Cross References
Genesis 1:3Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
Job 38:12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
Psalms 103:20Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
Isaiah 40:26Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
Matthew 5:45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
John 1:4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.