Bokin'i Joba 27:8
Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For what is the hope of the hypocrite, though he hath gained, when God taketh away his soul?
In Context
7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
Cross References
Job 8:13Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
Job 13:16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
Job 20:5Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
Isaiah 33:14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Luke 9:25Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?