Bokin'i Joba 28:18
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
No mention shall be made of coral, or of pearls: for the price of wisdom is above rubies.
In Context
Cross References
Proverbs 3:15Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
Proverbs 20:15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
Lamentations 4:7Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.
Matthew 7:6Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
1 Timothy 2:9Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
Revelation 18:12dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin’ ny fanaka rehetra amin’ ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,