Bokin'i Joba 28:24
Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For he looketh to the ends of the earth, and seeth under the whole heaven;
In Context
23Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
25Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
Cross References
2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
Psalms 33:13Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
Proverbs 15:3Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Revelation 5:6Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina efatra ary teo afovoan’ ny loholona dia nisy Zanak’ ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’ Andriamanitra nirahina hankany amin’ ny tany rehetra.