Bokin'i Joba 29:22
Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
After my words they spake not again; and my speech dropped upon them.
In Context
21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
Cross References
Job 32:15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
Song of Solomon 4:11Mitete tantely toy ny avy amin’ ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ ny lelanao, ary ny fofon’ ny fitafianao dia tahaka ny fofon’ i Libanona.
Micah 2:6Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
Matthew 22:46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.