Bokin'i Joba 31:11
Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For this is an heinous crime; yea, it is an iniquity to be punished by the judges.
In Context
10Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
12Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
Cross References
Genesis 26:10Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
Genesis 39:9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?
Leviticus 20:10Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
Job 31:28(Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
Ezekiel 16:38ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.