Bokin'i Joba 31:14
Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
What then shall I do when God riseth up? and when he visiteth, what shall I answer him?
In Context
Cross References
Leviticus 25:43Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.
Job 10:2Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
Psalms 9:12Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
Psalms 10:12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
Psalms 76:9Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
Isaiah 10:3Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?