Bokin'i Joba 31:28
(Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
Cross References
Deuteronomy 17:2Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
Deuteronomy 17:9ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
Joshua 24:27Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’ Andriamanitrareo ianareo.
Job 9:15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
Job 31:11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
Proverbs 30:9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.