Bokin'i Joba 31:32
Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The stranger did not lodge in the street: but I opened my doors to the traveller.
In Context
31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
Cross References
Judges 19:15Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ ny kianjan’ ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
Job 29:16Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
Romans 12:13Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
Hebrews 13:2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.