Bokin'i Joba 33:17
Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That he may withdraw man from his purpose, and hide pride from man.
In Context
16Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
Cross References
Genesis 20:3Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.
Deuteronomy 8:16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
Job 17:11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra;
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Daniel 4:30Tamin’ izay indrindra no nahatanterahan’ izany tamin’ i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ ny andon’ ny lanitra ambara-panirin’ ny volony ho toy ny an’ ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ ny vorona.
Matthew 27:19Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.