Bokin'i Joba 33:22
Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Yea, his soul draweth near unto the grave, and his life to the destroyers.
In Context
21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
Cross References
Exodus 12:23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
2 Samuel 24:16Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Job 15:21Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
Job 17:13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako.
Psalms 17:4Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny.
Psalms 88:3Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;