Bokin'i Joba 33:27
Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 16:13Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
2 Samuel 12:13Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Job 7:20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 19:7Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.
Psalms 119:128Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;