Bokin'i Joba 34:10
Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
2 Samuel 22:31Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
Job 8:3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
Job 34:34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
Job 37:23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
Psalms 145:17Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra.