Bokin'i Joba 34:20
Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
Cross References
Exodus 12:29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
1 Samuel 26:10Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
Job 36:20Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
Isaiah 10:16Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
Isaiah 30:30Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Isaiah 37:38Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.