Bokin'i Joba 35:11
Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who teacheth us more than the beasts of the earth, and maketh us wiser than the fowls of heaven?
In Context
10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,
12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.
Cross References
Genesis 1:26Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Job 32:8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Psalms 94:12Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,