Bokin'i Joba 35:13
Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Surely God will not hear vanity, neither will the Almighty regard it.
In Context
12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.
Cross References
Job 27:8Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Psalms 66:18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Proverbs 15:8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Proverbs 28:9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Hosea 7:14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.