Bokin'i Joba 35:5
Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Look unto the heavens, and see; and behold the clouds which are higher than thou.
In Context
4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao.
6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
Cross References
Genesis 15:5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
1 Kings 8:27Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Job 22:12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
Job 36:26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
Job 37:22Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
Isaiah 40:22Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;