Bokin'i Joba 38:23
Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Which I have reserved against the time of trouble, against the day of battle and war?
In Context
Cross References
Exodus 9:18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
Joshua 10:11Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Job 36:31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
Ezekiel 13:11koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
Matthew 7:27Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.