Bokin'i Joba 5:23
Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
Cross References
Leviticus 26:6Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
Isaiah 11:6Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
Ezekiel 14:15Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’ olona aleha noho ny biby,
Ezekiel 34:27Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ ny tànan’ izay nampanompo azy izy.
Hosea 2:18Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.