Bokin'i Joba 5:6
Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Although affliction cometh not forth of the dust, neither doth trouble spring out of the ground;
In Context
7Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
Cross References
1 Samuel 6:9Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
Psalms 90:7Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
Lamentations 3:38Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
Amos 3:6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?