The Bible Software
bible.software › Bokin'i Joba › Bokin'i Joba 7 › Bokin'i Joba 7:11

Bokin'i Joba 7:11

Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore I will not refrain my mouth; I will speak in the anguish of my spirit; I will complain in the bitterness of my soul.

In Context

10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

Read all of Bokin'i Joba 7

Cross References

Genesis 42:21Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.

2 Kings 4:27Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.

Job 10:1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko

Job 13:13Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

Job 21:3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.

Job 23:2Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Joba 7:11

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Joba 7:10Bokin'i Joba 7Bokin'i Joba 7:12 →