Bokin'i Joba 7:18
Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And that thou shouldest visit him every morning, and try him every moment?
In Context
17Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
Cross References
Genesis 22:1Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’ Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
Exodus 32:34Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Job 14:3kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
Isaiah 26:14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Jeremiah 9:7Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin’ ny vavany, dia miteny fihavanana amin’ ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
Zechariah 13:9Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.