Bokin'i Joba 7:4
Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
Cross References
Job 7:13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
Job 30:17Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
Psalms 77:4Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.]
Psalms 130:6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.