Bokin'i Joba 9:12
Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Behold, he taketh away, who can hinder him? who will say unto him, What doest thou?
In Context
11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
Cross References
2 Samuel 16:10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
Job 11:10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Job 33:13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
Isaiah 45:9Lozan’ izay miady amin’ ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ ny tavim-bilany amin’ ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
Daniel 4:32ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ ireo maro be any an-danitra sy amin’ ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
Matthew 11:26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.