Bokin'i Joba 9:22
Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
This is one thing, therefore I said it, He destroyeth the perfect and the wicked.
In Context
21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
23Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
Cross References
Job 10:8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
Ecclesiastes 9:1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
Ecclesiastes 9:3Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
Ezekiel 21:9Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan’ ny sabatro amin’ ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,