Bokin'i Joba 9:28
Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I am afraid of all my sorrows, I know that thou wilt not hold me innocent.
In Context
27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
Cross References
Exodus 20:7Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Job 7:21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Job 9:20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
Job 14:16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
Job 33:10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
Psalms 119:120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.