Bokin'i Joba 9:4
Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
Cross References
Exodus 9:14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.
Exodus 14:17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
2 Chronicles 13:12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
Job 6:10Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.
Job 11:6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.
Job 15:13Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?