Bokin'i Joela 1:10
Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 24:3Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
Jeremiah 12:4Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
Jeremiah 14:2Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin’ ny tany; Ary miakatra ny fitarainan’ i Jerosalema.
Hosea 4:3Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
Joel 1:5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
Joel 1:17Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.