Bokin'i Joela 1:14
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 29:10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
2 Chronicles 20:13Ary ny Joda rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah.
Nehemiah 9:2Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
Jeremiah 36:9Fa tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona fahadimy manjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan’ i Jehovah izy tamin’ ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ ny tanànan’ ny Joda.
Jonah 3:8Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’ Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.