Bokin'i Joela 2:1
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masìna! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ ny tany; Fa avy ny andron’ i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 10:2Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
Numbers 10:5Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
Ezra 9:3Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Psalms 119:120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
Isaiah 13:6Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.