Bokin'i Joela 2:14
Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna.
Cross References
Joshua 14:12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
2 Samuel 12:22Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
2 Kings 19:4Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
Jeremiah 26:3Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ ny ataony.
Joel 1:13Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
Amos 5:15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.