The Bible Software
bible.software › Bokin'i Joela › Bokin'i Joela 2 › Bokin'i Joela 2:17

Bokin'i Joela 2:17

Eo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin’ ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Let the priests, the ministers of the LORD, weep between the porch and the altar, and let them say, Spare thy people, O LORD, and give not thine heritage to reproach, that the heathen should rule over them: wherefore should they say among the people, Where is their God?

In Context

16Angony ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

18Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.

Read all of Bokin'i Joela 2

Cross References

Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.

Deuteronomy 9:16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.

Deuteronomy 32:27Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.

1 Kings 6:3Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan’ ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan’ ny trano ihany.

2 Chronicles 7:20dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.

Nehemiah 9:36Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin’ ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Joela 2:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Joela 2:16Bokin'i Joela 2Bokin'i Joela 2:18 →