Bokin'i Joela 2:20
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin’ ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
Cross References
Exodus 10:19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
2 Kings 8:13Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
Isaiah 34:3Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny.
Ezekiel 39:12Ary fito volana mipaka no handevenan’ ny taranak’ Isirady azy, hanadiovany ny tany.
Ezekiel 47:18Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Joel 2:2Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin’ ny taonan’ ny taranaka fara mandimby.