Bokin'i Joela 2:26
Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 33:11Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
Leviticus 26:5Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
Deuteronomy 6:11sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin’ ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
Deuteronomy 12:7ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Deuteronomy 12:18Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.
Nehemiah 9:25Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ ny fahatsaranao lehibe.