Bokin'i Joela 2:5
Tahaka ny figorodon’ ny kalesy any an-tampon’ ny tendrombohitra no figorodon’ ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
6Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;
Cross References
Job 39:20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
Isaiah 30:30Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Nahum 3:2Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
Revelation 9:9Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ ny ady.