John 1:5
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the light shineth in darkness; and the darkness comprehended it not.
In Context
4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
6Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
Cross References
Proverbs 1:22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
John 1:10Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
John 12:36Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
1 Corinthians 2:14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.