Filazantsara araka an'i Jaona 11:15
ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
16Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Genesis 26:24Ary Jehovah niseho taminy tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’ i Abrahama mpanompoko.
Psalms 105:14Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
Isaiah 65:8Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
John 11:4Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.
John 12:30Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo.
John 17:19Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.