Filazantsara araka an'i Jaona 13:1
Ary talohan’ ny andro firavoravoana tamin’ ny Paska, satria fantatr’ i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’ izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ ny farany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 13
Cross References
Jeremiah 31:3Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
Matthew 26:45Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.
Mark 14:1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
Luke 13:32Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’ izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
Luke 22:53Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
John 7:6Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.