Filazantsara araka an'i Jaona 16:23
Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 16
Cross References
Matthew 7:7Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
John 13:36Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
John 14:13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.
John 14:22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?
John 15:15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.
John 16:26Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;