Filazantsara araka an'i Jaona 19:12
Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 19
Cross References
Ezra 4:14Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
Luke 23:2dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
John 19:22Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
Acts 24:24Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy.