Filazantsara araka an'i Jaona 3:5
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 3
Cross References
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Matthew 5:20Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
Matthew 28:19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Luke 13:3Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Luke 13:24Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
John 3:3Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.