Filazantsara araka an'i Jaona 6:5
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 6
Cross References
Matthew 14:14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Mark 6:34Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Luke 9:12Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
John 4:35Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.