Filazantsara araka an'i Jaona 6:51
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
50Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 6
Cross References
Matthew 20:28Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
John 3:13Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
John 4:10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
John 6:52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
2 Corinthians 5:19dia izao: Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.