John 7:52
Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
53[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;
Cross References
Genesis 19:9Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’ i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
1 Kings 22:24Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Isaiah 9:1Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava.
John 1:46Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
John 9:34Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.