Bokin'i Jona 1:10
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 3:13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
2 Samuel 24:3Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
Daniel 5:6Dia nivaloarika ny tarehin’ ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
John 19:8Ary nony ren’ i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,