Bokin'i Jona 1:16
Dia natahotra an’ i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah sady nivoady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then the men feared the LORD exceedingly, and offered a sacrifice unto the LORD, and made vows.
In Context
Cross References
Genesis 8:20Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Judges 13:16Dia hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr’ i Manoa ho Anjelin’ i Jehovah Izy.
Job 37:24Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
Psalms 66:13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
Psalms 116:14Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
Isaiah 26:9Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.