Bokin'i Jona 1:2
Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary tonga tamin’ i Jona, zanak’ i Amitahy, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Cross References
Genesis 18:20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
2 Kings 19:36Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
Ezra 9:6ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Ezekiel 3:5Fa tsy ho any amin’ ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin’ ny taranak’ Isiraely ihany;
Jonah 3:3Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana.