Bokin'i Jona 1:4
Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 10:19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
Exodus 15:10Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin’ ny rano mahery izy.
Psalms 107:23Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
Psalms 135:7Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
Amos 4:13Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Acts 27:13Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’ i Kreta.